Apr 29, 2013

La corruption tue l’avenir des jeunes


La corruption est un mot que presque tout le monde connait maintenant à Madagascar, vu l’ampleur du phénomène. L’Etat a instauré le BIANCO, une institution « indépendante » pour lutter contre la corruption. Mais l’évidence est que la corruption reste une réalité que vivent les Malgaches au quotidien. Le BIANCO est souvent dénoncé comme «non indépendant » car le plus souvent les hautes personnalités ne sont jamais inquiétées. Les citoyens malgaches sont las de constater que même s’ils dénoncent des cas de corruption avec des faits concrets, leurs dénonciations n’aboutissent jamais. C’est pourquoi ils ne veulent plus perdre leur temps à déposer plainte ou à dénoncer un délit, ce qui est bien dommage.

Le fléau est présent à tous les niveaux de la société malgache. Le plus souvent, un Malgache victime d’un délit n’ose pas porter plainte faute de moyens pour soudoyer l’enquêteur ou même le juge, pour que justice soit. Si cela continue, les prisons seront bientôt remplies par des personnes innocentes qui n’auront pas pu defendre leur verite en faisant de la corruption, et non des malfaiteurs.

Dans les quartiers de Tuléar, les ruelles publiques sont de plus en plus rares car les personnes qui sont proches du chef de quartier n’ont aucun scrupule à s’en accaparer pour étendre leurs propriétés, et toutes les plaintes des voisins restent toujours sans suite. Ça a notamment été le cas dans les quartiers d’Ankatsaky, de Tanambao Montombe, etc. Récemment dans un carrefour du quartier de Sanfily, un chauffeur sans permis conduisant un camion sans aucun papier avait tenu tête à des agents de police en service qui le contrôlait. Il défiait les policiers en annonçant qu’il connaissait un commissaire. Si toutes les personnes en tort qui connaissent un commissaire ou un haut fonctionnaire de l’Etat faisaient cela, imaginez l’anarchie qui en résulterait.

L’Etat déclare vouloir à tout prix lutter contre l’insécurité, mais ce qu’il doit savoir c’est que le fléau qu’il fait mine d’ignorer est la principale source d’insécurité. Les «malaso» récidivent car ils sont sûrs de pouvoir sortir rapidement de prison s’ils se font prendre. Vu que l’obtention d’emploi doit toujours passer par la corruption, les jeunes, désespérés et sans recours, se ruent vers le banditisme et les malversations de tout acabit.

Le problème est que la corruption est loin d’être la priorité de l’Etat, vu que beaucoup de hauts  fonctionnaires y sont abonnés. Jusqu’à présent, aucune politique gouvernementale ne favorise réellement la lutte contre la corruption. Un journaliste avait par exemple demandé à Madame Lanto RAKOTOMAVO,  lors du YLTP Open Space de Septembre dernier à la Gare Soarano (Antananarivo), en sa qualité de Secrétaire Nationale du parti TGV, parti au pouvoir, quelle était la politique du parti pour éradiquer la corruption. La réponse fut vague.

Les efforts du BIANCO sont apparemment fictifs, vu que dans tous les examens d’Etat, seuls ceux qui usent d’influence et paient des millions d’Ariary réussissent. Si cela continue, les futurs dirigeants de notre pays seront des incapables.

Ce problème-là nous concerne plus, nous les jeunes. Car notre avenir est entre les mains d’un régime qui ne se soucie pas de l’impact des actes d’aujourd’hui sur notre devenir à nous.

Nous avons le devoir de faire comprendre nos priorités aux dirigeants, et notamment qu’il est crucial de construire aujourd’hui une bonne base pour des lendemains meilleurs. Car l’avenir n’est pas encore nôtre, mais c’est dans le présent que nous construisons un avenir qui pourrait nous appartenir.

RAKOTOARISON Aralino Roger
WYLD Atsimo Andrefana
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

Vonona ny Tanora eto amin’ny faritra Boeny hampanjaka ny DEMOKRASIA

Namangy Sekoly roa ‘’Lycée privé NICOLETA’’ sy ‘’Lycée privé NOBEL’’ izahay roa vavy ny 27 Febroary sy ny 07 Martsa 2013 teo. Nitafatafa tamin’ny mpianatra kilasy famaranana izay teo anelanelan’ny 16-20 taona izahay. Noresahanay tamin’izy ireo, voalohany, ny atao hoe WYLD, ny sehatra iasany sy ny tanjona ijoroany. Sambany vao nahenoan’izy ireo , ary noezahinay nampahafantarina azy ireo izany. Raha tao amin’ny Lycée NOBEL manokana ohatra, dia tena liana tanteraka ireo mpianatra ary nanaiky sahady ny hiditra ho mpikambana ao amin’ny WYLD rezionaly, miaraka amin’ny mpampianatra, ary indrindra ny Tale ( par interim). Ireto farany moa dia samy nidera ny ezaka ataon’ny WYLD ka sahy siteny hoe: “Ho tafita ihany i Madagasikara raha maromaro ny tanora mandray andraikitra toa anareo ireto”.

Ny tao amin’ny Lycée NICOLETA indray dia tsy latsa-danja koa satria nafana dia nafana ny adihevitra, ary naharitra adiny roa be izao ny fihaonana. Liana dia liana ry zareo ary nisy tokoa ny fifanakalozana teo aminay (fanontaniana avy any amin’ny zareo, valiny avy aty aminay). Ny tsapa aloha dia toa mbola misafotofoto ao an-dohan’ireto tanora ireto ny atao hoe demokrasia sy ny resaka fifidianana. “Tsy mirona amin’izany ny sainay hoy izy ireo ary tsy mivaky loha amin’ny resaka pôlitika koa. Avelao ho an’ny mpanao pôlitika izany”.

Somary sarotsarotra ihany ny fandresen-dahatra (na tao amin’ny Lycée NOBEL io na tao amin’ny Lycée NICOLETA) tamin’ny voalohany, sady somary bebe fanontaniana izay ihany koa ry zareo. Ireto avy ny fanontaniana napetrak’izy ireo tamin’izany:
• Inona marina no atao hoe Demokrasia?
• Inona no liana ny Demokrasia?
• Misy eto Madagasikara ve ny Demokrasia?
• Hisy fifidianana Filoham-pirenena ihany ve eto Madagasikara amin’ity taona ity?
• Inona ny voka-tsoa azo avy amin’ny fandehanana mifidy?, sns...

Ho an’ny fanontaniana voalohany dia naverinay tamin-dry zareo ny fanontaniana ka samy nanana ny fomba famaliny avy izy ireo ary saika mitovitovy avokoa. Ireto misy sombintsombiny vitsivitsy:
> Victor sy Eliza (TA, Lycée NOBEL) : “Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka’’
> Marie Joseph (TD Lycée NOBEL) : “Fanehoan-kevitra tsy misy teritery”

Nisy ihany koa ireo fanontaniana somary nasiatsiaka, toy ny hoe : “Tsy manao pôlitika ianareo nefa miresaka pôlitika?”-“Naninona no tsy nisy WYLD hatramin’izay fa izao vao mody miforona satria mety misy tombontsoanareo manokana ao matoa efa akaiky fifidianana ianareo vao mijoro?”

Tsy diso anjara koa ny mpampianatra fa dia nandray anjara tamin’ny fametrahana fanontaniana, ka isan’izany Mr Alain, Mpampianatra physique ny TA ao amin’ny Lycée Nobel : “Fa maninona no nahemotra amin’ny 24 Jolay indray ny fifidianana?” Fanontaniana moa izay tsy nahazoany valiny avy taty aminay satria tsy anjaran’ny WYLD no mamaly izany fa ny CENI-T.

Na teo aza anefa izany rehetra izany dia tsy kivy izahay roa vavy, tsy nikely soroka fa dia nasehonay tokoa ny fahavononana nampita ny zavatra fantatray tamin’ireto zandry ireto. Rehefa nohazavaina tamin’izy ireo anefa ny Demokrasia sy ny antony tokony handehanana mifidy, ary nesorina tamin’izy ireo ny fisalasalana ka noresena lahatra izy ireo, dia vonona ny handeha hifidy amin’ny fifidianana hisy eto Madagasikara, ireo izay ampy taona. Vonona izy ny hampiseho ny zony sy ny safidiny ary hampiseho ihany koa fa tanora mahay mandray andraikitra sy adidy amin’ny fiainam-pirenena izay maha “olom-pirenena vanona” izy ireo.

Arak’izany dia noezahinay novaliana arak’izay tratra ny fanontanian’izy ireo nampifanarahana tamin’ny fiofanana izay voarainay teny Maibahoaka. Izany rehetra izany moa dia niaraka tamin’ny fizarana ireo toro-lalana sy boky nosoratan’ny Liberty 32.

Efa natsidikay sahady tamin’ireto tanora ireto ihany koa ny hananganana ny Ligy rezionaly WYLD eto Boeny ary dia efa vonona ny amin’izany sahady izy ireo.

Nahafa-po anay roa vavy ny fihaonana satria tsapanay dia tsapanay tokoa ny fahavononan’ireto tanora ireto na dia mbola vao herotrerony aza, amin’ny fampanjakana ny demokrasia amin’ny sehatra misy azy ireo tsirairay indrindra fa ny eto amin’ny firenena.

Ankoatra ny fitsidihanay ny sekoly, dia nisy ihany koa ny fitsidihana arapanajana nataonay tao amin’ny «Inspection de travail» ka ny Tale Atoa BELAMY Rafidison mihitsy no nandray an-tanana anay. Nivoitra tamin’io fitsidihana io fa dia liana dia liana tokoa izy ary nidera ny ezaka ataon’ny WYLD. “Mahate-hidera ny ezaka ataonareo, tanora vao herotrerony ianareo nefa efa sahy mandray andraikitra lehibe sahady amin’ny fampandrosoana ny Firenenana” hoy izy taminay. Nankahery ny WYLD ihany koa izy ary nofaranany tamin’ny hoe: “Ohatra tsara ho an’ny tanora ato amin’ny Faritra Boeny ianareo“. Nanaiky avy hatrany amin’ny fiaraha-miasa moa izy (fametrahana peta-drindrina, sns.) ary mbola nanamafy fa vonona ny hanome tanana hatrany.

Amin’ny WYLD Voice manaraka indray e!!

Juliana sy Léa
WYLD Boeny
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

Ny Tanora sy ny DEMOKRASIA eto Analamanga


Anisan’ny paika hoentin’ny WYLD Analamanga hanentanana ny tanora sy ny vehivavy ny fanehoan-kevitra mahakasika ny demokrasia amin’ireo fitaovana fampitam-baovao toy ny haino aman-jery. Ny radion’ny tanora “Radio des Jeunes” na RDJ no nandray ireo solon-tenan’ny WYLD Analamanga ny zoma 22 martsa lasa teo tao amin’ny fandaharana «RDJ Chez vous», nitafatafana momba ny fahitan’ny tanora ny atao hoe demokrasia. Toy izao raha fintinina ny valan-dresaka nifanaovana tao.

Novelabelarina aloha ny antom-pisian’ny fikambanana WYLD izay adika amin’ny tena Malagasy hoe vehivavy sy tanora miasa hoan’ny demokrasia. Ary namafisina tamin’izany fa efa miparitaka amin’ireo faritra samihafa ny fikambanana ary anisan’izany rantsana izany ny faritra Analamanga. Hampitsiry ny fitiavan-tanindrazana amin’ireo tanora no tena imasoan’ny sampana Analamanga ankoatra ny fandraisany anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izay anisan’ireo antoka voalohany hamantarana ny fisian’ny demokrasia amin’ny firenena na toerana iray. 

Ahoana ny fandraisan’ny tanora ny atao hoe demokrasia tamin’ireo toerana sy fanentenana nataonareo?

Ny antsasa-aman’ilan’ny valim-panontaniana azon’ny mpikambana tao amin’ny WYLD Analamanga dia ny hoe demokrasia mira politika. Samy nanontaniana daholo tamin’izany na ireo ankizy avara-pianarana, izany hoe ireo mianatra na efa nahavita fianarana am-bony, na ireo vondrona tsy mba nandia ny sampam-pianarana ambony. Raha jerena ny fanazavana ny demokrasia araky ny voalazan’Atoa Abraham Lincoln dia: “Fanjakan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny vahoaka sy hoan’ny vahoaka“. Izany hoe ny demokrasia dia firehana mampiseho fa ny vahoaka no tompon’ny fahefana rehetra ary izy no manome izany fahefana hananany izany amin’ireo izay nofidiny hisolon-tena azy mandritra ny fifidianana.

Anisan’ny andrin’ny demokrasia ny fanajana ny safidin’ny vitsy an’isa.Ahoana no hanajana io safidy io araka ny fanontaniana nipetraka satria mazàna io no mampisy ny disadisa eo amin’ny fiaraha-monina?

Mila jerena ny marimaritra iraisana hoy izahay ato amin’ny WYLD Analamanga. Tsy tokony ho terena hanaraka bontolo ny maro an’isa ireo vitsy an’isa fa hazavaina ny sain’izy ireo ary hezahina ny hahitana tokotany iraisana.


Ahoana no ahafahan’ny olona hiaina ny demokrasia izany nefa ny vahoaka aza hita fa noana?

Ny demokrasia dia anisan’ny fomba anankiray hametrahana ny rafi-piarahamonina ary izy io no mandamina ny singa rehetra ao amin’ny fiaraha-monina raha voahaja ireo hevitra rehetra fonosiny. Tsy resaka am-bava ny demokrasia fa hiainan’ny olona tsirairay satria mikasika ny andavanandrompiainana. Tsy mifanalavitra amin’ny soatoavina Malagasy ny fototra ijoroan’ny demokrasia raha ny fahitanay azy satria ny fanehoana hevitra dia atao eo am-panajana ny hevitry ny hafa sy ny sokajin-teny avoaka ny vava. Io no anisan’ny imasoan’ny WYLD Analamanga amin’ny asa tanterahiny satria mampianatra ny tanora hahay haneho hevitra sy hanohana ny heviny ny WYLD amin’ny alalan’ny fifaninanana DPO (Débat Parlementaire Ouvert) izy ohatra. Izany no atao dia ny mba tsy ho hanaovan’ny sasany amboletra izany heviny izany rehefa tonga ny fotoana hanehoany ny safidiny amin’ny fandatsaham-bato. Efa mitsoka ankehitriny ny rivotry ny fifidianana ka mahatsiaro manana adidy amin’ny mpiara-belona ny WYLD hanazava ny sain’ny vahoaka fa sarobidy ny safidiny ary tsy tokony ho voafehin’ireo mpanome fanomezana izany. Ho hazavaina amin’ny vahoaka
fa ny foto-drafitr’asa ara-piaraha-monina (projet de société), ireo mpanara-dia ilay olona ho fidiana ary ny loharanombolany no anisan’ny tokony ho jeren’ny mpifidy tsara alohan’ny hanehoany ny safidiny.

Nafana sy nahafinaritra tokoa ny resaka natao niaraka tamin’Atoa Sylvain Rafiadana-Ntsoa, mpanentana ny fandaharana «RDJ Chez vous», ary isaorana azy izany. Mbola ho betsaka ny tafatafa amin’ny haino aman-jery toy izao hotontosainay eto amin’ny WYLD Analamanga izao, ary hafaliana ho anay hatrany ny hitatitra izany aminareo.

Mankasitraka!

Miranto sy Francia
WYLD Analamanga
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

Les Délégués Juniors de WYLD – Menabe

Déposés au CDI (centre de documentation du Lycée de Morondava), le bulletin d’information du projet WYLD et les prospectus ont intéressé les lycéens. Un groupe d’élèves a lancé des discussions pendant les récréations et la suite logique ne s’est pas faite attendre : après les sensibilisations menées par ces volontaires, une cinquantaine d’élèves a décidé de s’impliquer un peu plus. Les élèves sur la photo ci-après ont notamment manifesté leur bonne volonté de mobiliser leurs pairs ; ils sont au nombre de neuf, composés de sept jeunes filles et deux garçons : honneur aux femmes en ce mois de mars. Nous avons beaucoup discuté et ils sont enthousiastes ; nous pouvons nous en rendre compte par ces sourires ! Vive les délégués juniors du Menabe !

Prospérine
WYLD Menabe
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

Apr 28, 2013

Ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy (8 martsa 2013) teto Manakara


Toy ny fanaony isan-taona dia nifanome fotoana teo amin’ny lapan’ny tanàna ny vehivavin’i Manakara. Natomboka tamin’ny filaharam-be mamakivaky ny tanàna ny fotoana vao narahana kabary.

Mihoatra ny 30 ireo fikambanam-behivavy nilahatra ankoatran’ireo izay tsy ao anaty fikambanana.

«Ry vehivavy mandraisa anjara amin’ny seham-pifidianana rehetra ary sahia mirotsaka ho fidina fa zonao izany». Io no lohateny nentina nankalazana ny andron’ny vehivavy manerana ny nosy.


Nandritra ny lahateny nifanesy dia tsy nitsahatra ny nampirisika ny vehivavy handray anjara eo amin’ny seham-pifidianana ireo nandray fitenenana satria mbola ambany ny taha-pahavitrihan’ny vehivavy amin’io sehatra iray io. Marihina etoana fa fito mianadahy no nandray fitenenana ka ny telo tamin’izy ireo dia vehivavy.Tamin’io fotoana io indrindra no nanadihadianay an’i Ramatoa LYDIA Isabelle Modestine izay mpikambana ao amin’ny vehivavy 8 Mars.

I ramatoa Lydia dia renim-pianakaviana, mpampianatra no tena asany ka ny taranja S.V.T no ampianariny eny amin’ny Lycée Sileny Paul Mangarivotra MANAKARA. Vehivavy misahana andraikitra maro izy satria Filohan’ ny fikambanana VMLF (Vondrona Mira Lenta ho amin’ny Fampandrosoana) Distrika Manakara; Mpitambolan’ ny fikambanana 8 Mars; Mpitambolan’ny fikambanan’ny mpiasa ao amin’ny Lycée Sileny Paul; Mpitambolan’ny fikambanana ZANTAMA (Zanaka Tanala eto Manakara); Mpikambana ao amin’ny fikambanana Zanak’i Tanihady-Vohibary ary Mpitambolan’ny birao mpandrindra ny faritra ao amin’ny Leader Fanilo V7V (Vatovavy Fitovinany).


Manao ahoana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eo amin’ny resaka fampandrosoana?

Efa manomboka misy fiovana tsikelikely ihany eo amin’ny sehatra vitsivitsy. Tsy ampy fanentanana fa rehefa avy ny 08 Martsa na fifidianana izay vao mihetsika. Tsy ampy fahaizana ka mila fiofanana nohon’ny fahasahiranana be loatra.

Araka ny hevitrao, inona ny fiofanana sahaza ny vehivavy aty amin’ny faritra V7V?

Mila fahalalana ny amin’ny fiainam-pirenena sy ny zo ananany ny vehivavy satria ny tsy fahampian’ireo no tsy hahasahiany milatsaka ho fidina.

Ahoana ny fahafantaranao ny atao hoe demokrasia?

Ny demokrasia dia fampanjakana ny hevitry ny besinimaro mba tsy ho olon-tokana no hanjaka.

Raha izany ary dia ahoana ny fahitanao ny vehivavy sy ny demokrasia?

  • Tsy mbola manjaka ny demokrasia fa matetika ny hevitry ny lehilahy no manjaka.
  • Eo amin’ny sehatra pôlitika kosa dia afaka maneho ny heviny tsara ny vehivavy izay avara-pianarana.
  • Rehefa Andragnobe dia tsy mbola mahazo sehatra ny vehivavy satria atokana ny lahy sy ny vavy. Rehefa mivory ny lahy dia tsy azo tsabahan’ny vavy ary toraka izany koa ny an’ny vavy. Ity farany ity dia mariky ny fahendrena satria mirindrandamina ny aty amin’ny faritra «Grand Sud Est»
  • Maro an’isa ny vehivavy raha ampitahaina amin’ny lehilahy fa tsy tompon-kevitra satria tsy lasa lavitra tamin’ny fianarana.


Rtoa LYDIA Isabelle Modestine
Inona ary izany ny vahaolana arosonao mba hanjakan’ny demokrasia?

  • Ny fampianarana satria tsy manan-kolazaina.
  • Ny fanentanana ny olompirenena
  • Tokony hatsaraina ny faripiainan’ny vehivavy satria mazàna tsara ny tomban’asa atolony nefa ny enti-manana tsy ampy.

Izay ny resadresaka nifanaovanay tamin’i Ramatoa Lydia izay vehivavy tena mandray andraikitra tokoa amin’ny sehatra maro. 

Ry vehivavy sy tanora malagasy namana, sahia mandray andraikitra ho  fampandrosoana ny firenentsika!

Vero
WYLD Vatovavy Fitovinany
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013




Fanabeazana olom-pirenena


Miara-miasa ny WYLD Menabe sy ny KMF/CNOE amin’ny fanabeazana olom-pirenena mahakasika ny fifidianana tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Morondava, ny Alahady 17 febroary 2013.

Tao amin’ny Dodoky Mangarivotra, fokontany Namahora Atsimo, tamin’ny 5 ora tolakandro, tao amin’ny efitranon’ny sekoly fanabeazana fototra no nanatanterahana ny dinidinika miaraka amin’ireto olona avy eto Mangarivotra.

Ny solontenan’ny WYLD no nanazava mahakasika ny demokrasia sy ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fifidianana. Noentanina ny olona feno 18 taona, lahy sy vavy, mba hanamarina ny anarany ao anaty ny lisi-pifidianana satria tsy afaka maneho ny safidy raha toa ka tsy voasoratra ao. Betsaka moa ny ady hevitra sy ny fanontaniana narahina valiny mahakasika izay.

Ankoatr’izay dia manitikitika ny sain’ny maro ny mahakasika ny biletà tokana na “bulletin unique” izay tsapa
fa mbola tsy hitan’ny olona ary tsy misy fanabeazana ho an’ny mpifidy mahakasika izany eny ifotony. Teo no nitondran’ny solotenan’ny KMF/CNOE, Andriamatoa Robert NAMEARISON, fanazavana momba ny mety ho endriky ny «bulletin unique» sy ny fomba fampiasana azy.



Fa tao amin’ny Fokontany Ankisirasira Atsimo kosa, tao amin’ny biraon’ny fokontany, niaraka tamin’ireo vehivavy notaomin-dRamatoa vadin’ny Sefo Fokontany, dia nisy dinidinika fanehoankevitry ny vehivavy momba ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena, tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.

“Tsy sahy mamoaka ny hevitray izahay rehefa mivory, kanefa rehefa vita ny fivoriana izay vao mimonomonona, mifanome tsiny, manakiana ny fanapahan-kevitra izay tapaka tao anaty fivoriana, ny tahotra sy ny kolotsaina no mahatonga izany” hoy ireo renim-pianakaviana ao Ankisirasira Atsimo, nandritra ny dinidinika sy ady hevitra niarahana tamin’izy ireo. Arak’izany, mila manatrika fivoriana matetika sy mizatra mandray andraikitra ny vehivavy mba ahafahany maneho ny heviny.

Nofaranana tamin’ny fizarana ny trakta momba ny tetikasa WYLD hatrany ny fivoriana ary nisy koa ny fizarana ireo gazety «WYLD Voice n°01», izay narahina fanazavana ny famolavolana io gazety io.
Namafisina moa fa mbola hisy ny fanabeazana araka ny fizotran’ny fanomanana ny fifidianana ho an’ny  olompirenena rehetra.

Nali sy Amiko
WYLD Menabe
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY 2013 (Analaiva, 23 km miala an’i Morondava no ambohipihaonan’ny vehivavy sy ny mpitondra teto Menabe)


Nankalazaina teto amin’ny renivohitry ny Kaominina Analaiva ny 08 martsa 2013 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ho an’ny Faritra Menabe izay notarihin-dRamatoa Irma RAKOTOMALALA, Filohan’ny Fikambanana 8 Mars, ary notronon’ireo olona manan-kaja izay notarihin’Andriamatoa Faharo RATSIMBALSON, Lehiben’ny Faritra Menabe. Voasolo tena tao avokoa ireo vehivavy avy amin’ny distrika dimy : Manja, Miandrivazo, Mahabo, Belo sur Tsiribihina ary Morondava tamin’ny alalan’ireo karazam-pikambanana na ara-pinoana, na ara-tsosialy, na arapolitika, ireo sampan-draharaha tekinika, sns…. Nisy ny filaharan’ireo fikambanam-behivavy isan-tsojakiny narahina kabary nifandimbiasan’ireo manampahefana. Niverimberina tamin’izany ny famporisihana ny vehivavy handray anjara feno amin’ny fifidianana ho avy.

Nandritra io hetsika io, ny solontenan’ny WYLD eto Menabe, miaramiasa akaiky amin’ny ONG Code Menabe, dia nitafatafa tamin’ny vehivavy sy lehilahy tonga nitsidika ny trano heva. Nampahafantarina tamin’izany ny tantaran’ity tetik’asa WYLD ity izay novolavolain’ireo tanora vitsivitsy mikambana ao amin’ny Liberty 32 entina hanabeazana ny olom-pirenena, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora, mikasika ny fandraisana andraikitra sy ny Demokrasia. 

Nisy koa ny fampirantiana ilay boky “Mpitondra toy inona ho an’i Madagasikara ?” izay tena nanintona ny olona tokoa. Notsinjaraina ho an’ny fikambanana na antoko politika na olona mieritreritra ny hilatsaka hofidiana ity boky ity.

Nentanina koa ireo mpitsidika ireo hifanome tanana amin’ireto solontenan’ny WYLD eto Menabe ireto, indrindra fa amin’izao fotoana izorana ho amin’ny fifidianana izao. Nisy moa ny fandraisana anarana ireo izay mazoto hanapariaka ity asa an-tsitrapo ity izay mahatratra roapolo eo ho eo.

Hiteraka hetsika fanentanana maro eny anivon’ny fokontany ity hetsika ity aoriana kely.

Nali sy Amiko
WYLD Menabe
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

DEMOKRASIA = Fitovian-jo eo amin’ny lalàna (Tantara marina, nozarain’ny tovolahy iray izay nigadra 10 volana teny Antanimora.)

Mpitondra fiara karetsaka no asany ary nandona olona 3 izy indray mandeha. Niakatra fitsarana ny raharaha ka toy izao ny fijoroany vavolombelona amin’ny tsy fahamarinan’ny fitsarana sy ny fitondran-tena ratsy hananan’ireo mpiandraikitra ao amin’ny fonja.

Araka ny nolazainy dia vola avokoa no miasa eny anivon’ny fitsarana sy eny anivon’ny fonja. Izay manam-bola ihany no avotra sy manana ny rariny. Ny kolikoly anefa dia poizina mahery mamono ny tany tan-dalàna (Etat de droit) izay fototra ijoroan’ny demokrasia.

Navoakany ihany koa fa raha tsy manana mpisolo vava izay efa ambonimbony (manana traikefa) na mahafantatra ny mpitsara dia tsy afaka. Ka toy izao ny vola laniny :
600 000 Ar….nomena ny mpisolovava

800 000Ar…....nomena ny mpitsara

Marina fa ny mpisolo vava dia tsy maintsy karamaina, fa ny mpitsara kosa dia efa karamain’ny Fanjakana, anefa mbola tsy maintsy omena vola ambonin’izany ihany. Fa nahoana? Tsy vitan’izay fa dia notanisainy ihany koa ireo nanjo azy teny Antanimora. Ny tena mampalahelo hoy i aman-tsakaiza. Eny fa na hatramin’ny hena masaka aza.

“TSY MISY ZAVATRA FENO TONGA ATY AMIKO FA DIA BANGAIN’IZY IREO AVOKOA. RAHA MAMPITONDRA 10 000 Ar NY HAVAKO DIA 5 000 Ar NO TONGA ATY AMIKO.” Tsy vitan’izay fa : 
15 000 Ar hatramin’ny 35 000 Ar….fitsidihana manokana
500 Ar ...... mametraka pôketra eo amin’ny fidirana

Eny fa na hatramin’ny mpiandry ny varavarana fidirana ao amin’ny fonja aza dia tsy maintsy ametrahana kely.

Tsy misy peta-drindrina akory anefa na toerana efa voatondro ho fandoavam-bola ka ahazoana rosia mazava manamarina ny fandraisana ireo vola ireo ao an-toerana. Ireo mpiasan’ny fonja no mandray izany mivantana aty ivelany. Ireo mpiambina ihany koa dia tsy maintsy omena vola foana mba tsy hamorona olana na fisoketana.

Mampalahelo ity tantara ity satria manaporofo fa ny vola no mitondra ny fitsarana eto, na dia tsy tokony ho izany aza. Tokony hitovy ny olona manoloana ny lalàna, fa tsy izay manam-bola no tompoina! Ary eny anivon’ny fonja dia tokony hanjaka ny fahamarinana fa tsy vao maika ireo mpiasan’ny fonja tokony ho fitaratry ny gadra indray no tsy manara- dalàna. Isan’ny tsy mampandroso ny firenena izany, ary mikiky tsikelikely ny rafitra misy eto amintsika. AOKA IZAY NY FITANILÀNA!!!


Nadine
WYLD Analamanga
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

Soa fianatra e!


Ohatra azo alain-tahaka ny fampiharana ny demôkrasia tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Alarobia, Distrika Manjakandriana, araka ny fijoroana vavolombelona izay nataondRamatoa Mamonjisoa Volatiana RAMIARANJATOVO, Ben’ny Tanàna.

Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona izany demôkrasia izany?

Sarotra ny nanentana ny olona satria raha vao maheno ny teny hoe demokrasia dia “fifidianana”, “pôlitika”, “fampandriana adrisa” no tonga tao an-tsain’izy ireo voalohany. Fa rehefa natao ny fampahafantarana sy ny fanazavana ny tena demôkrasia marina sy ny tombontsoa azo avy aminy ary narahina fampiharana avy hatrany, dia izay vao voasarika ny olona.

Inona ohatra ny fampiharana nataonareo?

Isan’ny fampiharana ny demôkrasia ny fametrahana rafitra iray entina miasa na iza Ben’ny Tanàna na iza mpitondra. Ny rafitra fifanakalozan-kevitra dia fakàna ny hetahetan’ny vahoaka; izany hoe miala eny ifotony ny asa atao eo anivon’ny Kaominina izay vao entina tapahina eo anivon’ny mpanolotsaina. Teo aloha tokoa mantsy dia ny Sefo Fokontany ihany no mamolavola ny drafitr’asa ka tena tsapan’ny olompirenena tao anatin’ny Kaominina fa niaina tao anaty jadona sy baiko tamin’ny alalan’ireo teny sy tatitra midina izy ireo.
Rtoa RAMIARANJATOVO Mamonjisoa V.
Ben'ny Tanàna

Inona avy ireo tombony sy ireo lafitsaran’ny demôkrasia?

Maro ireo zava-tsoa azo toy ny :
- Nitondra fiovana sy fomba fanao teny anivon’ny Kaominina, nampifandray bebe kokoa ny mpitondra sy ny vahoaka (miteny malalaka ny olona ary mihaino sy mandray tsara koa ny mpitondra)
- Misy fivoriambem-pokonolona izay anaovana tatitra, dinika sy ny adihevitra rehetra momba ny fampandrosoana ny vohitra, na ny Fokontany, na ny Kaominina. Misy ny fifidianana amin’ny alalan’ny latsabato miafina mba hanapahana hevitra (mikasika ireo tetik’asa hotontosaina ohatra)
- Mazoto mandray andraikitra ny vahoaka ary tena mirotsaka an-tsehatra an-tsitrapo mba hampandrosoana ny tanàna
- Mazoto mandoa hetra ny olona ka nitombo ny fiharian-karena eo anivon’ny Fokontany sy ny Kaominina.

Harivola Ramananjanahary
WYLD Analamanga
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

La citoyenneté fait école



Initié par l’ONG Lalana, le projet Ecole de Citoyenneté financé par l’Union européenne avait pour objet de promouvoir l’engagement citoyen ainsi que la redevabilité des dirigeants à travers des formations théoriques et pratiques.

Le projet a été réalisé au niveau de trois districts de la région Analamanga à savoir, Manjakandriana, Anjozorobe ainsi qu’Ankazobe. Lors de l’atelier de capitalisation ayant eu lieu au Café de la Gare Soarano le jeudi 13 décembre dernier, les bénéficiaires et les responsables du projet ont eu l’occasion de partager les bonnes pratiques accumulées le long de sa réalisation.

Si en général, les formations effectuées sur le terrain mobilisent le paiement d’indemnités auprès des groupes cibles, l’Ecole de Citoyenneté a souhaité susciter le sens du mot engagement au niveau des citoyens.

Ainsi, ceux qui ont réellement suivi les séances de formation étaient ceux qui souhaitaient réellement s’engager au niveau de leur communauté. Au final, le taux d’assiduité des groupes cibles dans les séances de formation a atteint les 49,7%.

Les séances de formation ont porté leurs fruits, cela s’est principalement ressenti au niveau des « travaux pratiques ». En effet, l’engagement citoyen et la redevabilité des dirigeants ont pu être testés au moyen de réalisation de micro-projets. A partir de réunions au niveau des villages, des fokontany et de la commune, les citoyens ont pu décider du type de projet qu’ils souhaitaient réaliser. Cette approche a notamment permis de fluidifier la communication dirigeant-citoyen, grâce à la liberté d’expression, et l’appropriation des thèmes véhiculés lors des formations.

Ces thèmes concernaient notamment les élections démocratiques, l’engagement citoyen, le dialogue, le compte-rendu. Si à la base, le financement des micro-projets était prévu d’un apport de 1/3 chacun pour les citoyens, la commune et l’école de citoyenneté, il s’est avéré dans la pratique, que face à des citoyens convaincus de leur engagement ont contribué à plus de 33% des dépenses, que ce soit en numéraire ou en nature.

Anjara RALAIARIJAONA
Responsable RRD
ONG Lalana
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013