Apr 29, 2013

Vonona ny Tanora eto amin’ny faritra Boeny hampanjaka ny DEMOKRASIA

Namangy Sekoly roa ‘’Lycée privé NICOLETA’’ sy ‘’Lycée privé NOBEL’’ izahay roa vavy ny 27 Febroary sy ny 07 Martsa 2013 teo. Nitafatafa tamin’ny mpianatra kilasy famaranana izay teo anelanelan’ny 16-20 taona izahay. Noresahanay tamin’izy ireo, voalohany, ny atao hoe WYLD, ny sehatra iasany sy ny tanjona ijoroany. Sambany vao nahenoan’izy ireo , ary noezahinay nampahafantarina azy ireo izany. Raha tao amin’ny Lycée NOBEL manokana ohatra, dia tena liana tanteraka ireo mpianatra ary nanaiky sahady ny hiditra ho mpikambana ao amin’ny WYLD rezionaly, miaraka amin’ny mpampianatra, ary indrindra ny Tale ( par interim). Ireto farany moa dia samy nidera ny ezaka ataon’ny WYLD ka sahy siteny hoe: “Ho tafita ihany i Madagasikara raha maromaro ny tanora mandray andraikitra toa anareo ireto”.

Ny tao amin’ny Lycée NICOLETA indray dia tsy latsa-danja koa satria nafana dia nafana ny adihevitra, ary naharitra adiny roa be izao ny fihaonana. Liana dia liana ry zareo ary nisy tokoa ny fifanakalozana teo aminay (fanontaniana avy any amin’ny zareo, valiny avy aty aminay). Ny tsapa aloha dia toa mbola misafotofoto ao an-dohan’ireto tanora ireto ny atao hoe demokrasia sy ny resaka fifidianana. “Tsy mirona amin’izany ny sainay hoy izy ireo ary tsy mivaky loha amin’ny resaka pôlitika koa. Avelao ho an’ny mpanao pôlitika izany”.

Somary sarotsarotra ihany ny fandresen-dahatra (na tao amin’ny Lycée NOBEL io na tao amin’ny Lycée NICOLETA) tamin’ny voalohany, sady somary bebe fanontaniana izay ihany koa ry zareo. Ireto avy ny fanontaniana napetrak’izy ireo tamin’izany:
• Inona marina no atao hoe Demokrasia?
• Inona no liana ny Demokrasia?
• Misy eto Madagasikara ve ny Demokrasia?
• Hisy fifidianana Filoham-pirenena ihany ve eto Madagasikara amin’ity taona ity?
• Inona ny voka-tsoa azo avy amin’ny fandehanana mifidy?, sns...

Ho an’ny fanontaniana voalohany dia naverinay tamin-dry zareo ny fanontaniana ka samy nanana ny fomba famaliny avy izy ireo ary saika mitovitovy avokoa. Ireto misy sombintsombiny vitsivitsy:
> Victor sy Eliza (TA, Lycée NOBEL) : “Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka’’
> Marie Joseph (TD Lycée NOBEL) : “Fanehoan-kevitra tsy misy teritery”

Nisy ihany koa ireo fanontaniana somary nasiatsiaka, toy ny hoe : “Tsy manao pôlitika ianareo nefa miresaka pôlitika?”-“Naninona no tsy nisy WYLD hatramin’izay fa izao vao mody miforona satria mety misy tombontsoanareo manokana ao matoa efa akaiky fifidianana ianareo vao mijoro?”

Tsy diso anjara koa ny mpampianatra fa dia nandray anjara tamin’ny fametrahana fanontaniana, ka isan’izany Mr Alain, Mpampianatra physique ny TA ao amin’ny Lycée Nobel : “Fa maninona no nahemotra amin’ny 24 Jolay indray ny fifidianana?” Fanontaniana moa izay tsy nahazoany valiny avy taty aminay satria tsy anjaran’ny WYLD no mamaly izany fa ny CENI-T.

Na teo aza anefa izany rehetra izany dia tsy kivy izahay roa vavy, tsy nikely soroka fa dia nasehonay tokoa ny fahavononana nampita ny zavatra fantatray tamin’ireto zandry ireto. Rehefa nohazavaina tamin’izy ireo anefa ny Demokrasia sy ny antony tokony handehanana mifidy, ary nesorina tamin’izy ireo ny fisalasalana ka noresena lahatra izy ireo, dia vonona ny handeha hifidy amin’ny fifidianana hisy eto Madagasikara, ireo izay ampy taona. Vonona izy ny hampiseho ny zony sy ny safidiny ary hampiseho ihany koa fa tanora mahay mandray andraikitra sy adidy amin’ny fiainam-pirenena izay maha “olom-pirenena vanona” izy ireo.

Arak’izany dia noezahinay novaliana arak’izay tratra ny fanontanian’izy ireo nampifanarahana tamin’ny fiofanana izay voarainay teny Maibahoaka. Izany rehetra izany moa dia niaraka tamin’ny fizarana ireo toro-lalana sy boky nosoratan’ny Liberty 32.

Efa natsidikay sahady tamin’ireto tanora ireto ihany koa ny hananganana ny Ligy rezionaly WYLD eto Boeny ary dia efa vonona ny amin’izany sahady izy ireo.

Nahafa-po anay roa vavy ny fihaonana satria tsapanay dia tsapanay tokoa ny fahavononan’ireto tanora ireto na dia mbola vao herotrerony aza, amin’ny fampanjakana ny demokrasia amin’ny sehatra misy azy ireo tsirairay indrindra fa ny eto amin’ny firenena.

Ankoatra ny fitsidihanay ny sekoly, dia nisy ihany koa ny fitsidihana arapanajana nataonay tao amin’ny «Inspection de travail» ka ny Tale Atoa BELAMY Rafidison mihitsy no nandray an-tanana anay. Nivoitra tamin’io fitsidihana io fa dia liana dia liana tokoa izy ary nidera ny ezaka ataon’ny WYLD. “Mahate-hidera ny ezaka ataonareo, tanora vao herotrerony ianareo nefa efa sahy mandray andraikitra lehibe sahady amin’ny fampandrosoana ny Firenenana” hoy izy taminay. Nankahery ny WYLD ihany koa izy ary nofaranany tamin’ny hoe: “Ohatra tsara ho an’ny tanora ato amin’ny Faritra Boeny ianareo“. Nanaiky avy hatrany amin’ny fiaraha-miasa moa izy (fametrahana peta-drindrina, sns.) ary mbola nanamafy fa vonona ny hanome tanana hatrany.

Amin’ny WYLD Voice manaraka indray e!!

Juliana sy Léa
WYLD Boeny
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

No comments:

Post a Comment