Apr 28, 2013

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY 2013 (Analaiva, 23 km miala an’i Morondava no ambohipihaonan’ny vehivavy sy ny mpitondra teto Menabe)


Nankalazaina teto amin’ny renivohitry ny Kaominina Analaiva ny 08 martsa 2013 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ho an’ny Faritra Menabe izay notarihin-dRamatoa Irma RAKOTOMALALA, Filohan’ny Fikambanana 8 Mars, ary notronon’ireo olona manan-kaja izay notarihin’Andriamatoa Faharo RATSIMBALSON, Lehiben’ny Faritra Menabe. Voasolo tena tao avokoa ireo vehivavy avy amin’ny distrika dimy : Manja, Miandrivazo, Mahabo, Belo sur Tsiribihina ary Morondava tamin’ny alalan’ireo karazam-pikambanana na ara-pinoana, na ara-tsosialy, na arapolitika, ireo sampan-draharaha tekinika, sns…. Nisy ny filaharan’ireo fikambanam-behivavy isan-tsojakiny narahina kabary nifandimbiasan’ireo manampahefana. Niverimberina tamin’izany ny famporisihana ny vehivavy handray anjara feno amin’ny fifidianana ho avy.

Nandritra io hetsika io, ny solontenan’ny WYLD eto Menabe, miaramiasa akaiky amin’ny ONG Code Menabe, dia nitafatafa tamin’ny vehivavy sy lehilahy tonga nitsidika ny trano heva. Nampahafantarina tamin’izany ny tantaran’ity tetik’asa WYLD ity izay novolavolain’ireo tanora vitsivitsy mikambana ao amin’ny Liberty 32 entina hanabeazana ny olom-pirenena, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora, mikasika ny fandraisana andraikitra sy ny Demokrasia. 

Nisy koa ny fampirantiana ilay boky “Mpitondra toy inona ho an’i Madagasikara ?” izay tena nanintona ny olona tokoa. Notsinjaraina ho an’ny fikambanana na antoko politika na olona mieritreritra ny hilatsaka hofidiana ity boky ity.

Nentanina koa ireo mpitsidika ireo hifanome tanana amin’ireto solontenan’ny WYLD eto Menabe ireto, indrindra fa amin’izao fotoana izorana ho amin’ny fifidianana izao. Nisy moa ny fandraisana anarana ireo izay mazoto hanapariaka ity asa an-tsitrapo ity izay mahatratra roapolo eo ho eo.

Hiteraka hetsika fanentanana maro eny anivon’ny fokontany ity hetsika ity aoriana kely.

Nali sy Amiko
WYLD Menabe
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

No comments:

Post a Comment