Apr 28, 2013

DEMOKRASIA = Fitovian-jo eo amin’ny lalàna (Tantara marina, nozarain’ny tovolahy iray izay nigadra 10 volana teny Antanimora.)

Mpitondra fiara karetsaka no asany ary nandona olona 3 izy indray mandeha. Niakatra fitsarana ny raharaha ka toy izao ny fijoroany vavolombelona amin’ny tsy fahamarinan’ny fitsarana sy ny fitondran-tena ratsy hananan’ireo mpiandraikitra ao amin’ny fonja.

Araka ny nolazainy dia vola avokoa no miasa eny anivon’ny fitsarana sy eny anivon’ny fonja. Izay manam-bola ihany no avotra sy manana ny rariny. Ny kolikoly anefa dia poizina mahery mamono ny tany tan-dalàna (Etat de droit) izay fototra ijoroan’ny demokrasia.

Navoakany ihany koa fa raha tsy manana mpisolo vava izay efa ambonimbony (manana traikefa) na mahafantatra ny mpitsara dia tsy afaka. Ka toy izao ny vola laniny :
600 000 Ar….nomena ny mpisolovava

800 000Ar…....nomena ny mpitsara

Marina fa ny mpisolo vava dia tsy maintsy karamaina, fa ny mpitsara kosa dia efa karamain’ny Fanjakana, anefa mbola tsy maintsy omena vola ambonin’izany ihany. Fa nahoana? Tsy vitan’izay fa dia notanisainy ihany koa ireo nanjo azy teny Antanimora. Ny tena mampalahelo hoy i aman-tsakaiza. Eny fa na hatramin’ny hena masaka aza.

“TSY MISY ZAVATRA FENO TONGA ATY AMIKO FA DIA BANGAIN’IZY IREO AVOKOA. RAHA MAMPITONDRA 10 000 Ar NY HAVAKO DIA 5 000 Ar NO TONGA ATY AMIKO.” Tsy vitan’izay fa : 
15 000 Ar hatramin’ny 35 000 Ar….fitsidihana manokana
500 Ar ...... mametraka pôketra eo amin’ny fidirana

Eny fa na hatramin’ny mpiandry ny varavarana fidirana ao amin’ny fonja aza dia tsy maintsy ametrahana kely.

Tsy misy peta-drindrina akory anefa na toerana efa voatondro ho fandoavam-bola ka ahazoana rosia mazava manamarina ny fandraisana ireo vola ireo ao an-toerana. Ireo mpiasan’ny fonja no mandray izany mivantana aty ivelany. Ireo mpiambina ihany koa dia tsy maintsy omena vola foana mba tsy hamorona olana na fisoketana.

Mampalahelo ity tantara ity satria manaporofo fa ny vola no mitondra ny fitsarana eto, na dia tsy tokony ho izany aza. Tokony hitovy ny olona manoloana ny lalàna, fa tsy izay manam-bola no tompoina! Ary eny anivon’ny fonja dia tokony hanjaka ny fahamarinana fa tsy vao maika ireo mpiasan’ny fonja tokony ho fitaratry ny gadra indray no tsy manara- dalàna. Isan’ny tsy mampandroso ny firenena izany, ary mikiky tsikelikely ny rafitra misy eto amintsika. AOKA IZAY NY FITANILÀNA!!!


Nadine
WYLD Analamanga
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

No comments:

Post a Comment