Apr 28, 2013

Fanabeazana olom-pirenena


Miara-miasa ny WYLD Menabe sy ny KMF/CNOE amin’ny fanabeazana olom-pirenena mahakasika ny fifidianana tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Morondava, ny Alahady 17 febroary 2013.

Tao amin’ny Dodoky Mangarivotra, fokontany Namahora Atsimo, tamin’ny 5 ora tolakandro, tao amin’ny efitranon’ny sekoly fanabeazana fototra no nanatanterahana ny dinidinika miaraka amin’ireto olona avy eto Mangarivotra.

Ny solontenan’ny WYLD no nanazava mahakasika ny demokrasia sy ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fifidianana. Noentanina ny olona feno 18 taona, lahy sy vavy, mba hanamarina ny anarany ao anaty ny lisi-pifidianana satria tsy afaka maneho ny safidy raha toa ka tsy voasoratra ao. Betsaka moa ny ady hevitra sy ny fanontaniana narahina valiny mahakasika izay.

Ankoatr’izay dia manitikitika ny sain’ny maro ny mahakasika ny biletà tokana na “bulletin unique” izay tsapa
fa mbola tsy hitan’ny olona ary tsy misy fanabeazana ho an’ny mpifidy mahakasika izany eny ifotony. Teo no nitondran’ny solotenan’ny KMF/CNOE, Andriamatoa Robert NAMEARISON, fanazavana momba ny mety ho endriky ny «bulletin unique» sy ny fomba fampiasana azy.



Fa tao amin’ny Fokontany Ankisirasira Atsimo kosa, tao amin’ny biraon’ny fokontany, niaraka tamin’ireo vehivavy notaomin-dRamatoa vadin’ny Sefo Fokontany, dia nisy dinidinika fanehoankevitry ny vehivavy momba ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena, tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.

“Tsy sahy mamoaka ny hevitray izahay rehefa mivory, kanefa rehefa vita ny fivoriana izay vao mimonomonona, mifanome tsiny, manakiana ny fanapahan-kevitra izay tapaka tao anaty fivoriana, ny tahotra sy ny kolotsaina no mahatonga izany” hoy ireo renim-pianakaviana ao Ankisirasira Atsimo, nandritra ny dinidinika sy ady hevitra niarahana tamin’izy ireo. Arak’izany, mila manatrika fivoriana matetika sy mizatra mandray andraikitra ny vehivavy mba ahafahany maneho ny heviny.

Nofaranana tamin’ny fizarana ny trakta momba ny tetikasa WYLD hatrany ny fivoriana ary nisy koa ny fizarana ireo gazety «WYLD Voice n°01», izay narahina fanazavana ny famolavolana io gazety io.
Namafisina moa fa mbola hisy ny fanabeazana araka ny fizotran’ny fanomanana ny fifidianana ho an’ny  olompirenena rehetra.

Nali sy Amiko
WYLD Menabe
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

No comments:

Post a Comment