Apr 28, 2013

Soa fianatra e!


Ohatra azo alain-tahaka ny fampiharana ny demôkrasia tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Alarobia, Distrika Manjakandriana, araka ny fijoroana vavolombelona izay nataondRamatoa Mamonjisoa Volatiana RAMIARANJATOVO, Ben’ny Tanàna.

Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona izany demôkrasia izany?

Sarotra ny nanentana ny olona satria raha vao maheno ny teny hoe demokrasia dia “fifidianana”, “pôlitika”, “fampandriana adrisa” no tonga tao an-tsain’izy ireo voalohany. Fa rehefa natao ny fampahafantarana sy ny fanazavana ny tena demôkrasia marina sy ny tombontsoa azo avy aminy ary narahina fampiharana avy hatrany, dia izay vao voasarika ny olona.

Inona ohatra ny fampiharana nataonareo?

Isan’ny fampiharana ny demôkrasia ny fametrahana rafitra iray entina miasa na iza Ben’ny Tanàna na iza mpitondra. Ny rafitra fifanakalozan-kevitra dia fakàna ny hetahetan’ny vahoaka; izany hoe miala eny ifotony ny asa atao eo anivon’ny Kaominina izay vao entina tapahina eo anivon’ny mpanolotsaina. Teo aloha tokoa mantsy dia ny Sefo Fokontany ihany no mamolavola ny drafitr’asa ka tena tsapan’ny olompirenena tao anatin’ny Kaominina fa niaina tao anaty jadona sy baiko tamin’ny alalan’ireo teny sy tatitra midina izy ireo.
Rtoa RAMIARANJATOVO Mamonjisoa V.
Ben'ny Tanàna

Inona avy ireo tombony sy ireo lafitsaran’ny demôkrasia?

Maro ireo zava-tsoa azo toy ny :
- Nitondra fiovana sy fomba fanao teny anivon’ny Kaominina, nampifandray bebe kokoa ny mpitondra sy ny vahoaka (miteny malalaka ny olona ary mihaino sy mandray tsara koa ny mpitondra)
- Misy fivoriambem-pokonolona izay anaovana tatitra, dinika sy ny adihevitra rehetra momba ny fampandrosoana ny vohitra, na ny Fokontany, na ny Kaominina. Misy ny fifidianana amin’ny alalan’ny latsabato miafina mba hanapahana hevitra (mikasika ireo tetik’asa hotontosaina ohatra)
- Mazoto mandray andraikitra ny vahoaka ary tena mirotsaka an-tsehatra an-tsitrapo mba hampandrosoana ny tanàna
- Mazoto mandoa hetra ny olona ka nitombo ny fiharian-karena eo anivon’ny Fokontany sy ny Kaominina.

Harivola Ramananjanahary
WYLD Analamanga
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013

No comments:

Post a Comment