Apr 28, 2013

Ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy (8 martsa 2013) teto Manakara


Toy ny fanaony isan-taona dia nifanome fotoana teo amin’ny lapan’ny tanàna ny vehivavin’i Manakara. Natomboka tamin’ny filaharam-be mamakivaky ny tanàna ny fotoana vao narahana kabary.

Mihoatra ny 30 ireo fikambanam-behivavy nilahatra ankoatran’ireo izay tsy ao anaty fikambanana.

«Ry vehivavy mandraisa anjara amin’ny seham-pifidianana rehetra ary sahia mirotsaka ho fidina fa zonao izany». Io no lohateny nentina nankalazana ny andron’ny vehivavy manerana ny nosy.


Nandritra ny lahateny nifanesy dia tsy nitsahatra ny nampirisika ny vehivavy handray anjara eo amin’ny seham-pifidianana ireo nandray fitenenana satria mbola ambany ny taha-pahavitrihan’ny vehivavy amin’io sehatra iray io. Marihina etoana fa fito mianadahy no nandray fitenenana ka ny telo tamin’izy ireo dia vehivavy.Tamin’io fotoana io indrindra no nanadihadianay an’i Ramatoa LYDIA Isabelle Modestine izay mpikambana ao amin’ny vehivavy 8 Mars.

I ramatoa Lydia dia renim-pianakaviana, mpampianatra no tena asany ka ny taranja S.V.T no ampianariny eny amin’ny Lycée Sileny Paul Mangarivotra MANAKARA. Vehivavy misahana andraikitra maro izy satria Filohan’ ny fikambanana VMLF (Vondrona Mira Lenta ho amin’ny Fampandrosoana) Distrika Manakara; Mpitambolan’ ny fikambanana 8 Mars; Mpitambolan’ny fikambanan’ny mpiasa ao amin’ny Lycée Sileny Paul; Mpitambolan’ny fikambanana ZANTAMA (Zanaka Tanala eto Manakara); Mpikambana ao amin’ny fikambanana Zanak’i Tanihady-Vohibary ary Mpitambolan’ny birao mpandrindra ny faritra ao amin’ny Leader Fanilo V7V (Vatovavy Fitovinany).


Manao ahoana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eo amin’ny resaka fampandrosoana?

Efa manomboka misy fiovana tsikelikely ihany eo amin’ny sehatra vitsivitsy. Tsy ampy fanentanana fa rehefa avy ny 08 Martsa na fifidianana izay vao mihetsika. Tsy ampy fahaizana ka mila fiofanana nohon’ny fahasahiranana be loatra.

Araka ny hevitrao, inona ny fiofanana sahaza ny vehivavy aty amin’ny faritra V7V?

Mila fahalalana ny amin’ny fiainam-pirenena sy ny zo ananany ny vehivavy satria ny tsy fahampian’ireo no tsy hahasahiany milatsaka ho fidina.

Ahoana ny fahafantaranao ny atao hoe demokrasia?

Ny demokrasia dia fampanjakana ny hevitry ny besinimaro mba tsy ho olon-tokana no hanjaka.

Raha izany ary dia ahoana ny fahitanao ny vehivavy sy ny demokrasia?

  • Tsy mbola manjaka ny demokrasia fa matetika ny hevitry ny lehilahy no manjaka.
  • Eo amin’ny sehatra pôlitika kosa dia afaka maneho ny heviny tsara ny vehivavy izay avara-pianarana.
  • Rehefa Andragnobe dia tsy mbola mahazo sehatra ny vehivavy satria atokana ny lahy sy ny vavy. Rehefa mivory ny lahy dia tsy azo tsabahan’ny vavy ary toraka izany koa ny an’ny vavy. Ity farany ity dia mariky ny fahendrena satria mirindrandamina ny aty amin’ny faritra «Grand Sud Est»
  • Maro an’isa ny vehivavy raha ampitahaina amin’ny lehilahy fa tsy tompon-kevitra satria tsy lasa lavitra tamin’ny fianarana.


Rtoa LYDIA Isabelle Modestine
Inona ary izany ny vahaolana arosonao mba hanjakan’ny demokrasia?

  • Ny fampianarana satria tsy manan-kolazaina.
  • Ny fanentanana ny olompirenena
  • Tokony hatsaraina ny faripiainan’ny vehivavy satria mazàna tsara ny tomban’asa atolony nefa ny enti-manana tsy ampy.

Izay ny resadresaka nifanaovanay tamin’i Ramatoa Lydia izay vehivavy tena mandray andraikitra tokoa amin’ny sehatra maro. 

Ry vehivavy sy tanora malagasy namana, sahia mandray andraikitra ho  fampandrosoana ny firenentsika!

Vero
WYLD Vatovavy Fitovinany
WYLD VOICE n° 02 - Mars 2013




No comments:

Post a Comment